Sport

Beach Soccer Maro Ray ny fandresena


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Horaisina amin’ny fomba manetriketrika ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny taranja Beach soccer anio. Rariny loatra izany raha ny ezaka vitan’ireo tanorantsika nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy,

 nandrombaka ny tompondakan’i Afrika ary  hiatrika ihany koa ny fiadiana ny tompondaka erantany. Fa ny tiana hasian-teny dia  ho maro indray izany izao ny hilaza fa  nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny nahazoana izany anaram-boninahitra izany. Ny fandresena tokoa mantsy maro ny rainy. Raha nisy ny olona tena nampiroborobo  ny Beach soccer teto Madagasikara dia ny ligin’i Menabe sy ny ligin ‘Analanjirofo. Tsy dia nahasarika olona firy  ity taranja ity, eny fa na dia ny komity mpanatanteraky ny federasiona malagasy ny baolina kitra  aza. Soritana anefa  fa hain’ny mpanao fanatanjahantena malagasy ity  taranja ity na dia somary vaovao ihany aza. Nandritra ny andiany voalohany  tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara tany Toamasina dia tongan’i Torcelin Randriamamonjy, sady mpanazatra no mpanao gazety, teo amin’ny  famaranana ny ekipan’Analamanga izay tsy nanana morontsiraka ilalaovana akory. Eny Ambony fasika mantsy no anaovana ity lalao kitra ity.  Ka raha misy ny fahombiazana ankehitriny dia tokony  hanaja tena ireo mpanabe takolaka fa aoka izay  tena nifofotra nampandeha ity taranja ity no mendrika hisaorana sy hojerena.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT