Beach soccer

Hiatrika ny CAN 2024 ny Barea


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Vonona ny FMF hamerina indray ny Beach soccer rehefa nampatoriana

taona maromaro. Tapaka ary fa dia handray anjara amin'ny CAN 2024 tontosaina any Egypte ny Malagasy ny volana aogositra miditra io. Mbola tsy mazava aloha hatreto raha tsy maintsy handray anjara amin'ny lalao savaranonando satria ny 2015 isika no tompondaka. Tsy fantatra koa izay ho vokatra azo satria mieritreritra hametraka ekipam-pirenena ny FMF aorian'ny fifaninana roa hokarakarainy. Ny Festival any SAVA no hisantatra izany ny 13 ka hatramin'ny 19 may. Ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara no manaraka ny volana jolay any Manakara. Ampy ve izay ahitana mpilalao afaka hifaninana eo amin'ny sehatra afrikanina ? Izay no fanontaniana ilaina valiny satria na ny ho mpanazatra aza dia samy mbola misitery. Ny zava-misy mantsy dia efa tsy tazana intsony ireo mpilalao nahazoana ny tompondakan'i Afrika. Midika izany fa tsy maintsy manamboatra nefa na ny mpanazatra havanana amin'ilay raharaha aza, Solofo Tsiavahana Ramarolahy, efa nikopaka elatra any Seychelles. Sao ary dia ho kobaka am-bava indray ity filazana ity. Raha ny marina mantsy dia tokony atomboka amin'ny fiadiana izay ho tompondaka isam-paritra mba ahitana soratra izay tena mpilalao tsara. Mila fidinanana ifotony izany fa tsy resaka ambony latabatra toy ny fanao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT