Hampiantrano hetsika goavana roa amin’ny fiandohan’ny volana desambra io ny renivohitr’i Boeny.
Hotanterahina any Mahajanga manomboka anio alatsinainy 30 novambra hatramin’ny zoma 4 desambra izao ny fiofanan’ny Fifa natokana ho an’ireo mpanazatra amin’ny baolina lalaovina amin’ny torapasika. Mpanazatra 25 avy amina ligy 12 manao ny beach soccer no hanaraka ny fiofanana izay hotarihin’ilay mpampiofan’ny Fifa sady mpanazatra ny Barea, ilay frantsay, Claude Barrabe ary hanampy azy ny mpanazatra nasionaly, Ramarolahy Solofo. Hifanindran-dalana amin’io fiofanana io ny fifaninanana nasionaly andiany fah-6 izay hatao ny 2-6 desambra. Ekipa avy amina tanàna 12 no handray anjara ary io no be mpandray anjara indrindra hatrizay, ahitana an’i Toamasina, Vatomandry, Maintirano, Mananjary, Manakara, Ihosy, Toliara, Soanierana Ivongo, Taolagnaro, Morondava, Ambanja ary i Mahajanga. Tsiahivina fa ity farany no tompon’ny anaramboninahitra farany. Mandray anjara amin’io fiofanana io avokoa moa ireo mpanazatran’ireo ekipa miatrika ny fifaninanam-pirenena. Ireo hetsika ireo ihany koa no hanakatona ny taom-pilalaovana 2015 ho an’ny federasiona.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.