Sport

Beach soccer – Afrika Tompondaka i Madagasikara ary hanao Mondial any Portugal


  • Alatsinainy 20 Aprily 2015

Ela ny ela, voahosotra ho tompondakan’i Afrika i Madagasikara amin’ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika na ny Beach soccer.

 

Lavon’ny Barea tamin’ny famaranana efa tany amin’ny “tirs au but” omaly hariva ny Senegaley tamin’ny isa 2-1 raha sahala 1-1 hatreo amin’ny faran’ny fe-potoana ara-dalàna. Marihina fa i Sénégal no tompon’ny anaramboninahitra farany ary efa in-telo nisalotra izany. Tsy nety nahatohitra ary tsy afa-bela tamin’i Madagasikara izany ity ekipa tompondakan’i Afrika teo aloha ity satria efa lavon’ny Malagasy 3-2 koa izy ireo tamin’ny fifanintsanam-bondrona. I Côte d’Ivoire kosa no lavontsika Malagasy tamin’ny manasa-dalana efa tany amin’ny “tirs au but” ihany koa (4-4, 3-2). Sambany teo amin’ny tantara no handeha hiatrika ny fiadiana ny amboara erantany hatao any Portugal ny 9-19 jolay izany i Madagasikara. Ekipa fah-2 nahazo ny tapakila kosa i Sénégal. Raha ny filaharana taorian’ny fiadian-toerana dia fah-3 i Nizeria izay nandresy 9-1 an’i Côte d’Ivoire, lah-5 i Maroc nandresy an’i Ejipta (3-1) ary lah-7 i Ghana nandresy an’i Seisela (12-1).

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT