Sport

Beach soccer – Afrika 300 tapitrisa ariary hatreto no vola lany


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Tafaverina an-tanindrazana omaly antoandro ny delegasiona malagasy avy nandrombaka ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina lalaovina amin’ny torapasika natao tany Seisela izay nifarana ny alahady sady nahazo indrindra koa ny tapakilan’ny fiadiana amboara eran-tany hatao any Portugal (9-19 jolay 2015).

 

Nafana ny fitsenana teny Ivato izay nitohy nentina nitety ny renivohitra nampisehoana ny ekipa sy ireo amboara azony tamin’ny Cosafa Cup sy ny Amboaran’i Afrika ary nihazo ny lapan’ny tanàna Analakely rehefa avy nitety an’Ambohimanarina, Ankorondrano, Ankazomanga, 67ha ary Ampefiloha.

“300 tapitrisa ariary ny vola lany hatramin’izao tamin’ireo fifaninanana beach soccer natrehintsika Malagasy  rehetra teo” araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasiona malagasin’ny baolina kitra, Andriamiasasoa Doda. Nanambara kosa ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Andriamosarisoa Jean Anicet fa “tsy eto an-tanindrazana izao ny filoham-pirenena fa handray ny delegasiona izy rehefa tafaverina ary hanome fankasitrahana sy mariboninahitra ireo mpilalao”.

Raha nanazava ny fizotry lalao tany Seisela kosa ilay mpanazatra frantsay Paul Barrabé dia nilaza izy fa “tsy nanana drafi-dalao loatra ireo Afrikanina raha izay no tena paikady nampiasainy. Anisan’ny firenena tsara kosa anefa i Sénégal, Côte d’ivoire ary Maraoka. Nanaraka toromarika tsara koa ireo mpilalao. Mila manamafy ny fanomanantena kosa hiatrehana ny Mondial amin’ny lafiny teknika sy ara-batana ary miatrika lalao tsapa iraisam-pirenena, ohatra amin’ny ekipa reniôney raha ilaina”.

Ho an’ireo Malagasy votendry ho mpilalao mendrika dia niaiky i Tokindrainy fa  “henjana i Sénégal, Côte d’ivoire ary Nizeria. Tombony ho antsika kosa ny teknika sy ara-batana”. Ho an’i Jhioraly mpiandry harato dia “tombony ho an’ny malagasy ny fikirizana niara-niady teny ambony kianja sy ny hakingana indrindra ho ahy mpiandry harato”.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT