Sport

Beach Soccer Afrika 2018 Hanainga anio ny delegasiona Malagasy


  • Zoma 07 Desambra 2018

Rehefa nahazo tsodranon-draiamandreny nomen’ny mpikambana ao amin’ny Comité de normalisation teny Isoraka omaly alakamisy 06 desambra 2018 ny ekipam-pirenena Malagasin’ny taranja Beach Soccer dia hanainga anio

 

 

tolakandro amin’ny 2:30 eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato hihazo an’i Egypte  hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2018 eo amin’ity taranja ity “CAN BEACH SOCCER 2018” izay hotontosaina manomboka ny 08 desambra hatramin'ny 14 desambra 2018 izao. Atoa Benony Jacques no filohan’ny delegasiona hitarika azy ireo izay ahitana mpilalao miisa 12.

Firenena 8 no hanana ekipa hisolotena azy avy any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika andiany faha-9 eo amin’ny taranja Beach Soccer  hotontosaina any Sharm El Sheikh any Egypte ity.

Ao amin’ny  vondrona A ahitana an’i Egypta mpampiantrano, Côte d’Ivoire ary Maroc no misy an’i Madagasikara. Ny ao amin’ny vondrona B kosa no ahitana an’i Sénégal, Libye, Nigeria tompon’ny amboara farany ary i Tanzanie sambany vao handray anjara.

I Sénégal sy Nigeria nihaona tamin’ny famaranana farany (2016) no hanokatra ny fifaninanana amin’ny sabotsy 08 desambra 2018 izao amin’ny 12:00 any an-toerana arahin’ny fihaonan’i Libye sy Tazanie amin’ny 13:15 ary Egypte sy Maroc amin’ny 14:30. Amin’ny alahady 09 desambra 2018 amin’ny 12:00 egypsiana no hiditra an-tsehatra voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy ka hihaona amin’i Côte d’Ivoire.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT