Fitoriana no havalin’ireo ray aman-dreny sy mpitantanana klioba sasantsasany voatonona ho nangala-taona. Marihina fa nametraka fepetra hentitra ny federasiona mikasika ny fanarahamaso io fangalaran-taona io amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy U16 ity ka nisy ny fitiliana natao izay nivaly ny talata teo.
Taorian’ny fitarafana natao mpilalao vitsivitsy dia nanmoaka ny valin’izany ny vaomiera teknikan’ny fifaninanana ka mpilalao zazalahy fito no sarona. Nihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo mpilalao sy klioba voakasika dia ny fanalana an-daharana azy ireo amin’ny fifaninanana. Nisy tamin’ireo ray aman-drenin’ireo no tohina sy nitsipaka ny tsy mampitombona izao fanendrikendrehana izao ary nisy nilaza mihitsy fa hitory noho ny fanalambaraka atao amin’ny zanak’izy ireo sy ny klioba satria navoaka ofisialy sy an-gazety ny lisitr’ireo anarana sy klioba fito voakasika.
Valy bontana
Isan’ireo naneho hevitra mitsipaka ny fihetsika diso toeran’ny federasiona Randrianirina Jimmy Stefano mpanazatran’ny AMBB Mandroseza Analamanga, “Rabemanantsoa Chirac no mpilalaonay voahendrikendrika, tsy azonay ekena ny ataon’ny federasiona. Nitondra porofo ireo ray amandreniny: “acte de mariage, livret de famille, certificat de scolarite” fa tsy nisy neken’ny federasiona ireo… Izao najanona ilay mpilalao sy ny klioba nefa efa nomanina am-bolana maro io fifaninanana io.” Ho an’Andriamalala Eddy mpanazatran’ny Sersera Vakinankaratra dia nilaza izy fa “ efa nampiseho porofo izahay: “acte naissance”, kopia lava, bokim-piankohonana ary ankoatra izay dia teraka tao amin’ny klinika Ankadifotsy izay nanaovana ny radio io ankizy io, teraka ny 12 mey 2000… fa tsy nanaiky ny taratasy nasehonay mihitsy ny federasiona”. Ho an’i Haja rain-dRamaroson Hajaninaina mpilalaon’ny Fandrasa Matsiatra ambony izay voatery niakatra teto Antananarivo mihitsy raha vao naheno izao fanosoram-potaka izao dia nilaza fa “efa nitondra kopia sy karatra any an-tsekoly ary nangataka fifampiresahana fa tsy mety ry zareo federasiona… noho izany dia hametraka fitoriana amin’izao fanalambaraka izao izahay.” Omaly moa dia mbola nisy mpilalao enina, telo lahy sy telo vavy indray no notarafina. Ny siansa sy ny taratasim-panjakana izany eto no miady. Iza no manana ny fahamarinana faratampony? Hita hatrizay aloha fa maro ny tratra nanao taratasy hosoka. Raha sanatria ka ny siansa no diso dia ho afa-baraka ny federasiona sy ilay toeram-pitsaboana nanaovana ny fitarafana.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.