Sport

Baskety – Tompondakan’i Madagasikara U16 Hangotraka ireo lalao ampahefa-dalana anio


  • Zoma 04 Septambra 2015

Hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara U16 etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ho an’ny sokajy zazalahy dia samy tafita hiatrika io dingana io ny Cosfa sy Dream Team Analamanga. Anisan’ny manampy an’ireo ny Ascut Atsinanana, JBC sy ny ASCB samy avy any Boeny.

 

 Tsiahivina fa ekipa sivy no indray nalana andaharana noho ny fanapahan-kevitry ny federasiona rehefa nahatrarana mpilalao mangala-taona taorian’ny fitiliana natao dia ny AS ROUX, AS ST PIERRE, BCO, BCF, UBBA, BBC, SERASERA, FANDRASA, AMBB.
Hiady ny ampahefa-dalan’ny zazavavy kosa, araka ny fandaharan-dalao, ny Mb2All Analamanga sy NCBB Boeny, ny ABCHM Matsiatra Ambony sy FANDRASA Matsiatra Ambony, ny ASA Analamanga sy ASSAF Vakinankaratra, ny BCF Amoron'i Mania sy FANDRASA Matsiatra Ambony. Ho fantatra anio hariva izany ireo ekipa hahazo ny tapakilan’ny manasa-dalana izay hatao rahampitso.

Rasanda Serge


Na dia nisy aza ireo nimenomenona ny amin’ny resaka “contrôle d’âge” natao tamin’ity fiadiana ny ho tompondaka nasionaly tontosaina eto Antananarivo ity, dia ambaranay, hoy Atoa Randriamandimby Jimmy filohan’ny kaomisiona teknikan’ny fifaninanana, fa tsy maintsy hotohizana izany mba hisorohana ny hala-taona amin’itony fifaninanana itony. Mbola nisy mpilalao roa indray moa tratra tamin’ny fitiliana natao ny alarobia teo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT