Sport

Baskety – Tompondakan’i Madagasikara N1A Hangotraka ny fihodinana voalohany any Toamasina


  • Zoma 05 Jona 2015

I Toamasina indray no handray ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy N1A fihodinana voalohany ny 6-14 jona ka ekipa 12 avy lahy sy vavy no hiatrika ny fifaninanana. Hilalao an-tanŕna izany ny Ascut Atsinanana

tompon’anaramboninahitra amin’ity dingana voalohany. I Cosfa Analamanga, GNBC Vakinankaratra, Cospn Analamanga, TTS Amoron'i Mania, 2BC Vakinankaratra, Sebam Boeny, Challenger Analamanga, ASA Analamanga, SOE Analamanga, Fandrefiala Analamanga ary ny Globe Douanes Atsimo Andrefana no ekipa 11 ambiny hiatrika ny fifaninanana. Analamanga no manana solontena maro indrindra amin’io izay mahatratra enina. Tsiahivina kosa fa ny JCSA Analamanga no tompondaka tamin’ny taona lasa. Ireto kosa ireo ekipa hafa ahitana an’i Sebam Boeny, Fandrefiala Analamanga, JEA Vakinankaratra, MB2ALL Analamanga, Voromahery Alaotra Mangoro, ASA Analamanga, Tamifa Amoron'i Mania, AS EMMA Matsiatra ambony, Asuma Boeny, DCA DIANA ary ny BFT Analamanga. Mbola Analamanga hatrany koa no manana solontena be indrindra ho an’ny vehivavy izay mahatratra dimy.


Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT