Taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy N1B lehilahy sy U20 zazavavy tany Antsiranana dia i Mahajanga indray no handray ny fifaninanam-pirenena N1B vehivavy sy U20 zazalahy ny 23 – 31 mey izao
. Ekipa 19 no hiatrika io fifaninanana nasionaly io ka 9 ny N1B vehivavy ary 10 kosa ny U20 zazalahy. Ligy enina kosa no hanana solontena amin’izy io. Ny JSB Boeny, FBC sy BBCM ary ASF Analamanga, CRJS Atsinanana, CBB sy Otiv Alaotra Mangoro, FFPRO sy BCTM Vakinankaratra ary ny Sporting sy UJBM DIANA ireo klioba hifanintsana ho an’ny N1B vehivavy. Ny ASCB, JSB, NCBB ary BCO Boeny, Cosfa Analamanga, BBCF sy USF Matsiatra ambony, SBC Vakinankaratra, ASCUT Atsinanana ary Sporting DIANA kosa ireo klioba hifaninana ho an’ny U20 zazalahy. Tsiahivina fa tompon’ny anaramboninahitra farany ho an’ny N1B vehivavy ny Tamifa Amoron’i Mania ary ny UBBM Boeny kosa ho an’ny U20 zazalahy.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.