Sport

Baskety – Tompondakan’Analamanga N1B ASSM sy BBC no hiady ny lalao famaranana


  • Talata 25 Mey 2010

Fantatra ny sabotsy 22 mey teo, taorian’ireo lalao manasa-dalana natao tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ireo ekipa roa tafita hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’Analamamnga N1B.

Niady hatramin’ny farany ny lalao ankatoky ny famaranana voalohany nifanandrinan’ny ASA sy ASSM. Ireto farany no nivoaka nandresy tamin’ny isa tery dia tery 77-75. Mbola sahala 20-20 ny isa hatreo amin’ny faran’ny ampahefa-potoana voalohany ary ny ekipan’i Meme aza no nitarika 43-39 teo am-pialan-tsasatra. Nanenjika kosa ry Andry Sexy sy Sandy teo amin’ny fidirana fahatelo ary nitarika an’isa 62-58. Mbola nifampitady be ny fizaram-potoana fahefatra farany izay nampivoaka nandresy ny St Michel tamin’ny elanelan’isa roa monja. Hita fa nanantombo teo amin’ny halavana ny ekipan’ny Masindahy ary nahomby teo amin’ny fahaiza-miaraka kosa ny ASA izay rafetin’ireo mpilalao zandriny kokoa nahitana an-dry Mamy, tompondaka tamin’ny Challenge national U22 farany teo. Nazava kosa ny nanilihan’i Betongolo Basket-ball Club (BBC) ny Cospn tamin’ny isa 74-60 teo amin’ny manasa-dalana faharoa ary teo amin’ny faran’ny ampahefa-potoana faharoa dia efa nitarika 39-33 ny ekipan’i Betongolo. Vao mainka nitombo ny elanelana tamin’ny fe-potoana fahatelo ka efa tafakatra 60 ny isa ho an’ny BBC raha 44 ny an’ireo polisy. Ny alahady 30 mey izao no hanaovana ny lalao famaranana etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ihany ka izay tompondaka eo no hisolo tena ny ligin’Analamanga amin’ny fiadiana ny topondakan’i Madagasikara N1B hatao any Mahajanja ny 5-12 jona.

Hery Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT