Sport

Baskety : Tompondaka U22 SAVA ho an’ny vehivavy ary Analamanga ho an’ny lehilahy


  • Alatsinainy 19 Aprily 2010

Tontosa ny sabotsy teo ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny lalao famaranana teo amin’ny “Chalenge jeunes” latsaky ny 22 taona amin’ny taranja baskety sokajy zazalahy sy zazavavy.

Nandritra ny 10 andro, izany hoe ny 7 ka hatramin’ny 17 aprily no notontosaina teto Antananarivo izany ka io sabotsy io ny famaranana.

Teo amin’ny sokajy zazavavy, dia nifandona teo amin’ny famaranana ny ekipan’i SAVA sy ny tovovavy avy any Atsimo Andrefana. Isa nazava 65 no 45 no nibatan’ny tovovavin’i SAVA ny fandresena. 19 no 06 teo amin’ny ampaham-potoana voalohany, 32 no 19 teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, 47 no 33 teo amin’ny fizaram-potoana fahatelo ary io 65 no 45 io no nisarahana tamin’ny fotoana farany. Nanjaka tanteraka ireo mpilalao avy any avaratra atsinanana, anisan’izany i Nanah. Na dia niezaka ny nanarina aza ireo mpilalao avy any Atsimo Andrefana, dia tsy nahomby satria efa nifanalavitra ny elanelan’isa. Niezaka i Lucie teo amin’ny fiadiana baolina na teo amin’ny fanafihana na teo amin’ny fanampiana ny fiarovan-tena, fa efa tara izany.
Teo amin’ny lehilahy kosa, dia nivoaka sempotra ireo mpilalaon’i Meme vao nandresy ny ekipa avy any DIANA. Nitarika tamin’ny isa 23 no 16 ry Coco sy ny namany teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nivadika izany tamin’ny fizaram-potoana faharoa. Tsy nahita afa tsy isa 03 ny tovolahin’Analamanga. Ireo tovolahy avy any avaratra no nahita ny fomba filalaony mahazatra azy, dia ny valim-panafihana haingana izay natetika no notarihin’Iavizara. Nahitam-bokatra izany, ka nitarika tamin’ny isa 39 no 26 ry zalahy avy any DIANA teo am-pialan-tsasatra. Nifoha tamin’ny torimasony ny mpilalaon’Analamanga, ka niezaka ny nanenjika io elanelan’isa io, ary 54 no 58 izany teo am-pifaranan’ny fizaram-potoana fahatelo, fa mbola nitarika i DIANA. Ny fizaram-potoana fahefatra no nampitsanga- nitoetra ireo mpijery satria tena nifanenjehana ny isa teny amin’ ny solaitrabe. 64 no 64 no nisoratra teny 4 minitra taorian’ny fidirana tamin’io fizaram-potoana farany io, ary 69 no 69 teo amin’ny 5 minitra tsy ifaranan’ny lalao. Nivadika tanteraka ny rasa ka nanjaka ry Coco sy ny tariny ary isa 83 no 74 no nibatan’Analamanga ny fandresena.
Zavatra tsikaritra tamin’ity lalao famaranana teo amin’ny zazalahy ity, dia mora mikorontana ireo mpilalaon’i DIANA raha mitarika ny mpifanandrina taminy, ka hain’Analamanga ny nanararaotra ny lesoka.
 
Nandritra ity “ challenge” ity ary, dia voahosotra ho mpilalao mendrika teo amin’ny zazalahy i Coco, izay mpilalaon’Analamanga ary teo amin’ny zazavavy kosa, dia i Nanah, avy any SAVA no mpilalao mendrika. Ankoatra ny amboara, dia notoloran’ny minisiteran’ny fanatanjahantena vola 2 tapitrisa Ariary izay tompondaka, ary 1 tapitrisa Ar kosa ny laharana faharoa. Nahazo baolina sy fahatsiarovana hafa kosa ireo laharana fahatelo ka hatramin’ny faha dimy. Teo amin’ny laharana fahatelo moa no nahitana an’i Boeny na teo amin’ny zazalahy izany na teo amin’ny zazavavy. Amoron’i Mania no fahefatra teo amin’ny zazavavy ary Atsinanana ny fahadimy. Teo amin’ny zatovolahy kosa, dia fahefatra Atsinanana ary fahadimy i Atsimo Andrefana.
 
Notolorana mari-pahatsiarovana ihany koa ireo mpitondra fanjakana toy ny Praiminisitra, ny minisitry ny fanatanjahantena, ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny Ambasadaoro amerikanina amin’ny maha mpiara-miasa azy tamin’ny fikarakarana ity fifaninanana ity sy ireo sisa hafa.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT