Sport

Baskety Tompondaka nasionaly N1 A dingana 2 Tonga dia vavany tsy nisy alaharo tetsy amin’ny “Palais”


  • Zoma 06 Septambra 2019

Nanomboka omaly alakamisy 05 septambra 2019 tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninanana basikety fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy N1 A lahy sy vavy.

 

 

 

 Tonga dia vavany tsy nisy alaharo, araka ny fomba fiteny, ny hetsika ka hita fa ratsy fanombohana ny ekipan’ny Asut Atsinanana na teo amin’ny sokajy lehilahy na teo amin’ny sokajy vehivavy . Namiratra kosa ny Tamifa vehivavy avy any Amoron’i Mania nanoloana ny Asa Analamanga nefa ilay mpilalao laharana faha-6, i Nante, ao amin’ny Asa no nahafaty baolina be indrindra tamin’io fihaonana io nahafaty isa 28 raha isa 17 kosa no matin’i Nante ihany koa fa n° 0 ao amin’ny Tamifa.

Sokajy lehilahy : Cosfa 79 – 70  Ecbba  ; Cospn  63 – 53  Ascut ; As Fanalamanga  69 – 75  Cosmos ; Mb2All  86 – 74  2Bc ; Sebam  80 - 69 Cnaps ; Gnbc Vaknà 73 - 65 Ascb Boeny.

Sokajy vehivavy : Tamifa 84 - 70 Asa ; Mb2All  86 – 74  Jea Vaknà ; Sbbc Boeny 95 – 35  Ascut. 

Anio zoma 06 septambra ny andro faha-2 araka ny fandaharan-dalao :

Grande salle Palais des sports : 09:00-(D) : Asa A/Manga # Mb2All A/Manga ; 10:45-(H) : 2Bc A/Jirofo   # Cnaps Itasy; 12:30-(H) : Gnbc Vaknà # Ecbba A/Manga ; 14:15-(D) : Ankaratra Vaknà  #  Sbbc Boeny ; 16:00-(H) : Ascut Ats/na  #  Sebam Boeny ; 17:45-(H) : Cospn A/Manga  # Mb2All A/Manga

Petite Salle Palais des sports : 09:00-(D) : Cosmos DIANA   - Cosfa A/Manga   ;  10:45-(H) : Ascb Boeny  - As Fanalamanga Al/Mangoro    

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT