Sport

Baskety – Smatch in Nanao pao-droa ny Essca


  • Talata 15 Martsa 2016

Mahavory olona maro hatrany ny baskety. Nifarana ny alahady teo ny andiany fah-5 amin’ny “Smatch in”,

 

 fifaninanana baskety ho an’ireo sekoly ambony eto an-drenivohitra ary avo lenta ihany koa ny endri-dalao. Noraofin’ny ESSCA avokoa ny amboara satria nanao pao-droa ity sekoly ity. Ny ESSCA tompon’anaramboninahitra lefitra 2015 moa dia nandavo an’ny INTH  101-89 tamin’ny famaranana. Ny ESSCA moa dia nandahatra an’ireo sangany toa an-dry Anthony, Lalason ary François ary ny INTH kosa nahitana an-dry Kevin sy Ronald. Nahavita valifaty koa ny ESSCA satria ny DEGS izay nandresy azy tamin’ny famaranana tamin’ny taon-dasa no nahintsany tamin’ny manasa-dalana. Mbola ny ESSCA ihany no tompondakan’ny vehivavy rehefa nanilika an’ny DEGS tamin’ny famaranana. Nandravahana ny famaranana moa ireo fifaninanana “dunk” sy tifi-davitra.

Rasanda Serge

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT