Sport

Baskety – Seksion’Antananarivo renivohitra Fantatra ireo hanao famaranan’ny UU18 sy U16 ary U14


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny kianjan’i Mahamasina ivelany sy tetsy amin’ny kianjan’ny Ste Famille Mahamasina ireo lalao manasadalana amin’ny sokajy zandriny samihafa

 

amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny seksion’Antananarivo renivohitra.Tafita hanao famaranan’ny sokajy U18 zazalahy ny BBCM sy Dream Team. Nahazo ny tapakilan’ny famaranan’ny U16 zazalahy ny Dream Team sy Cosfa. Tafita hanao ny famaranan’ny U14 zazalahy ny Cosfa sy ASA ary ny zazavavy kosa ny ACA sy Fandrefiala. Ny 26 jolay izao no hanaovana ny famaranan’ireo sokajy ireo etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ny 21 jolay, aorian’ny Afrobasket U16 kosa no hanaovana ny manasadalan’ny U16 zazavavy ka hihaona amin’izany andaniny ny Fan sy Lucadro ary ankilany ny ASA sy mandresy amin’ny ampahefadalan’ny Mb2all sy JCSA.

Rasanda Serge

Vokatra:

U18L: BBCM-ASA (70-65), DTSC-Cosfa (69-64)

U16L: DTSC-ASA (50-47), Cosfa-AMBB (56-49)

U14V: ACA-Sepa Akamasoa (45-39), Fan-Lucadro (52-47)

U14L: Cosfa-SOE (38-35), ASA-DTSC (62-56)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT