Delegasiona mafonja avy amin’ny taranja baskety, toy ny mahazatra isan-taona no hanafika ilay fifaninanana “rencontre nationale sportive” (RNS) izay hatao any Montpellier Frantsa ny 3, 4 ary 5 aprily izao ary hiditra amin’ny andiany faha-35.
Marihina fa taranja maro tokoa no hifaninanana amin’izy io na ho an’ireo taranja iombonana izany na ireo ho an’olon-tokana. Ny baskety hatrany aloha hatreto no tena mavitrika amin’ireo delegasiona miainga avy eto Dago. Klioba telo no naka fahazoan-dalana tamin’ny federasiona malagasin’ny baskety (FMBB) fa hiatrika ity fifaninanana fihaonamben’ny mpanao fanatanjahantena malagasy miparitaka maneran-tany ity, indrindra ireo any Eoropa. Ekipa lehilahy ny roa, dia ny Cosfa sy ny fikambanana Tafa avy any Mahajanga ary tokana kosa ny ekipa vehivavy, dia ny ABB izay rafetin’ireo mpilalaon’ny Mega informatique teo aloha no handeha hiatrika ity andiany faha-35 ity. Ankoatra ireo anefa dia mpilalao dimy mirahavavy ao amin’ny ekipam-pirenena ihany koa no nahazo fanasana manokana toa an-dry Prisca, Ange, Roukia, … izay hanatevin-daharana ireo ekipa efa any an-toerana, dia ny Armada sy Arche de Madagascar. Tsiahivina fa ny Armada no tompondaka teo amin’ny baskety lehilahy tamin’ny andiany farany ary ny Amamaf kosa teo amin’ny vehivavy. Ambohipihaonan’ny teratany malagasy mpikirakira fanatanjahantena indray izany i Montpellier amin’ny Paska.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.