Sport

Baskety Raikitra indray ny « Smatch In » andiany faha-5


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Nambaran’ny mpikarakara teny Antaninarenina omaly talata 01 martsa 2016 fa raikitra indray ny hetsika “Smatch In 2016” izay “tournoi de basket-ball inter Institut supérieur” eto amintsika hifandrimbonan’ireo sekoly ambony samihafa misy.

 Andiany faha-5 ity hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 5-13 martsa ity. Hampiavaka azy ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-5 nikarakaran’ireo tanora 8 mirahalahy namorona ny hetsika, mivondrona ao amin’ny Team “Smatchin” izay miara-miasa amin’ny “commission jeune zone 7 Fiba Afrique”. Hisy koa ny “show spectacle” hatolotra amin’ny lanonam-panokafana. Ho hita koa manampy izany ny “concours meilleur spectateur” sy ny “ Concours de dance urbaine” ary ny “’Concours de dunk (tirs à 3 points)”. Raikitra izany ny fandimbiasan-toerana ny ekipan’ny EESDEGS izay tompondakan’ny Smatch In nandritra ny 2 taona nifanesy (2014 sy 2015). Efa vita tamin’ny fihaonana fampahafantarana teny Antaninarenina omaly talata ny antsapaka ho an’ireo ekipa 20 lehilahy sy 12 vehivavy handray anjara.

Fandaharam-potoana voalahatra :

5 martsa : Fanokafana sy seho goavana

5-10 martsa  : Fifanintsanana

11 martsa : 1/4-dalana

12 martsa : Ankatoky ny famarananana

13 martsa : Famaranana sy fampisehoana


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT