Sport

Baskety – Oseana Indiana Tafita ho any Angola ny Ascut sy Sebam


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Norombahan’ny Ascut sy ny Sebam, samy ekipa malagasy ny amboaran’ny ranomasimbe Indiana sy ny tapakilan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao any Angola amin’ny volana desambra.


Nanjakazakan’ny Malagasy ny fiadiana ny amboaran’ny Oseana Indiana amin’ny baskety hiadiana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao any Angola. Adin’ny samy Malagasy ireo lalao famaranan’ity fifaninanan’ny faritra fah-7 natao tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Voahosotra ho tompondaka fanintelony ny Ascut (2009, 2013, 2015). Tsy nety afa-bela ary lavon’ny Ascut tompondakan’i Madagasikara tamin’ny isa mazava 104-78 ny GNBC tamin’ny famaranana, lalao izay nizotra tao anaty hakingana sy nahitana fampisehoana samihafa. Efa nitarika mazava 54-40 ry Guy, Rina, Bina, Ibrahim, Lalason teo ampialantsasatra nanoloana an-dry Danz, Chancy, Fabrice,… Adin’ny samy ekipan’i Mayotte ny fiadian-toerana ka lah-3 kosa ny Vautours de l’abattoir rehefa nampiondrika an’i Jeunesse Canon, 76-52.

Mbola Malagasy 100% koa no niady ny amboara ho an’ny vehivavy. Tsy nety afa-bela tamin’ny Sebam tompondaka lefitr’i Madagasikara intsony kosa ny JCSA tompondaka nasionaly. Tsiahivina fa efa lavon-dry Prisca, Lilia, Nene, Fanja tamin’ny isa 49-36 ry Voahangy, Judith, Melissa tamin’ny fifanintsanana. Tamin’ny isa 82-70 no nandresen’ny ekipan’i Hyacynthe sy Vachi ny ekipan’i Tojo ary efa nitarika tamin’ny isa 38-36 ry Lydia teo ampilantsasatra. Lah-3 kosa ny BCM (Mayotte) rehefa nanilika an’ny Hot Shots (Seisela), 49-32 tamin’ny fiadian-toerana. Voahosotra ho mpapidi-baolina be indrindra sady mpilalao mendrika Raholiarisoa Fanjatiana (Sebam) izay nahafaty baolina 83 nandritra ny fifaninanana manontolo. Mpilalao mendrika lehilahy sady mpapidi-baolina mendrika kosa Ratsimbazafy Lalason (Ascut) nahatafiditra baolina 69. Ny Ascut sy Sebam izany no hiaro ny voninahitry ny ranomasimbe Indiana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao any Angola amin’ny volana desambra izao. Tonga nanohana sy nanotrona ireo ekipa malagasy ireo teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena koa moa ny Barea.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT