Sport

Baskety – Oseana Indiana Naongan’ny Sebam ny JCSA


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Niditra tamin’ny andro faharoa ny fiadiana ny amboaran’ny oseana indiana sady fiadiana ny tapakilan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika,tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nanamarika ny andro omaly ny fihaonana teo amin’ny samy mpampiantrano ho an’ny sokajy vehivavy.

 Lavon’ny Sebam tompondakan’i Madagasikara lefitra tamin’ny isa 49-36 tamin’io ny JCSA tompondaka nasionaly. Mikasika ireo vokatra hafa, izay adin’ny samy vahiny dia nivoaka sempotra ny BCM, ekipa vehivavy avy any Mayotte vao nahilika an’ny Hot Shots avy Seisela tamin’ny isa 65-63. Ho an’ny lehilahy kosa dia montsan’ny Vautours avy any Mayotte tamin’ny isa 77-57 ny Baya avy any Seisela raha nihaona taminy. Fihaonana voalahatra farany omaly teo amin’ny lehilahy moa dia nifanandrinan’ny Ascut Madagasikara sy ny Jeunesse Canon avy any Mayotte izay nandresen’ny mpampiantrano tamin’ny isa mavesatra 109-45 na dia teo aza ny fisian’ireo mpilalao malagasy tsy latsaky ny 4 tao amin’ny ekipa Mahorey.

Fandaharan-dalao anio alakamisy 8 oktobra andro fah-3 : 12:00-Mahebourg Maorisy # Jeunesse Canon 2000 Mayotte (L)   ;   2:00-Hot Shots Seychelles # Jcsa Madagasikara  (V)   ;   4:00-Bcm Mayotte # Sebam Madagascar (V)   ;  6:00-Gnbc Madagasikara # Baya Seychelles (L).

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT