Sport

Baskety – Oseana indiana Mananontanona ho an’ny Malagasy ny tapakila mankany Angola


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Ho fantatra anio hariva ireo ekipa hiady ny lalao famaranana ny amboaran’ny oseana Indiana hiadiana ny tapakilan’ny amboaran’i Afrika izay hatao any Angola amin’ny volana desambra izao

 

. Fantatra taorian’ny andro faran’ny fifanintsanan’ny faritra fahafito natao ny alakamisy teo teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ireo ekipa efatra lahy sy vavy avy tafita hiatrika ireo lalao manasa-dalana izay hatao anio tolakandro. Samy tafita malalaka ary tafavoaka laharana voalohany tamin’ny vondrona nisy azy avy ireo ekipa malagasy taorian’ny fifanintsanana. Ireo manasa-dalan’ny sokajy vehivavy no handeha aloha etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena manomboka amin’ny 12 ora antoandro. Hanokatra ny fotoana ny fifandonan’ny Sebam Madagasikara sy Hot Shots avy any Seisela. Tsiahivina fa efa nomontsanin’ny ekipan’i Boeny (130-48) io ekipan’i Seisela io. Aorian’io ny JCSA tompondakan’i Madagasikara hifanandrina amin’ny BC M’Tsapere avy any Mayotte. Efa resin’ny ekipan’i Tojo tamin’ny isa mazava 77-47 ihany koa io ekipa mahorey io tamin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana. Ho an’ny lehilahy kosa, hifanandrina amin’ny manasa-dalana voalohany ny GNBC Madagasikara sy ny Jeunesse Canon avy any Mayotte ary hifanehatra amin’ny ankatoky ny famaranana faharoa ny Ascut tompondakan’i Madagasikara sy ny Vautours de l’abattoire avy any Mayotte. Raha ny vokatra tany amin’ny fifanintsanana dia tokony halalaka ny handrombahantsika Malagasy ireo tapakilan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika hatao any Angola.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT