Baskety – N1B

U20 Tompondaka ny JBC sy MB2ALL


  • Talata 19 Mey 2015

Voahosotra ho tompondakan’ny sokajy N1B lehilahy ny JBC Atsimo Andrefana ary ny MB2ALL ho an’ny U20 zazavavy. Ho an’ny N1B lehilahy dia resin’ny JBC tamin’ny famaranana ny COSMOS DIANA (91-82). Lah-3 kosa ny USF Matsiatra

Ambony izay nandavo an’ny 3FB Atsinanana (97-91) tamin’ny fiadian-toerana. Mpampidi-baolina be indrindra Razakaria Ricky (COSMOS) ary mpilalao mendrika Ravelomanantsoa John (JBC). Tompondaka tamin’ny sokajy U20 zazavavy ny MB2ALL Analamanga izay nandresy an’ny JBA DIANA (100-61) tamin’ny famaranana. Lah-3 kosa ny DCA DIANA. Mpampidi-baolina be indrindra Andriamihajanirina Sydonie (MB2ALL) izay nahatafiditra baolina 104 ary mpilalao mendrika Andrianjato Santatra (MB2ALL). Ekipa telo ho an’ny N1B lehilahy no tafakatra sokajy N1A amin’ity taom-pilalaovana 2015 ity dia ny USF Matsiatra ambony, COSMOS DIANA ary JBC Atsimo Andrefana.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT