Sport

Baskety – Mada U18 Tompondaka ny ASCB Boeny sy MB2ALL Analamanga


  • Talata 22 Septambra 2015

Nikatona ny alahady teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy U18 izay natao tany Ambositra nandritra ny herinandro.

 Tompondakan’ny sokajy zazalahy ny ASCB Boeny izay nampiondrika an’ny Dream Team Analamanga 74-58 tamin’ny famaranana. Lah-3 ny ASCUT Antsinanana rehefa nandresy ny Cosfa Analamanga 49-45 tamin’ny fiadian-toerana. Tompondakan’ny sokajy zazavavy ny MB2ALL Analamanga izay nandavo an’ny ABCHM Matsiatra ambony 54-44 tamin’ny lalao famaranana ary lah-3 ny Tamifa Amoron’Imania rehefa nandresy ny Fandrasa Matsiatra ambony  69-54 tamin’ny lalao fiadian-toerana. Voahosotra ho mpilalao mendrika zazalahy i Elly (ASCD) ary mpampidi-baolina be indrindra i Orlando (ASCB). Mpilalao zazavavy mendrika kosa  I Lalaina (ABCHN) ary mpampidi-baolina be indrindra I Tokiniaina (TAMIFA). Ekipa nahazo ny amboara Fair Play ny JBC Atsimo Andrefana. Notoloran’ny FMBB medaly Afrobasket ny Ligin’Amoron’i Mania sy ny depioten’Ambositra ho fankasitrahana tamin'ny fikarakarana nataon’izy ireo.

 

 Rasanda Serge

ASCB Boeny, tompondaka zazalahy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT