Sport

Baskety – Mada U16 Tompondaka ny ASCB Boeny sy MB2ALL Analamanga


  • Alatsinainy 07 Septambra 2015

Saika nanao pao-droa Analamanga ! Namotsotra tamin’ny fotoana farany anefa ny Cosfa Analamanga. Resin’ny ASCB Boeny tamin’ny isa 98-95 mantsy ny Miaramila tamin’ny famaranana efa tany amin’ny fanalavam-potoana

 

. Nisaraka 83-83 ny roa tonta hatreo amin’ny faran’ny fe-potoana ara-dalàna na dia efa nitarika 44-41 aza ny Cosfa teo am-pialan-tsasatra. Efa taraiky be moa vao vita ity famaranana ity satria mbola niandry ny baolin’ny Barea tetsy Mahamasina vita vao natomboka ny famaranan’ny zazavavy. Ny Cosfa moa dia nandavo an’ny ASCUT Atsinanana, 91-78 tamin’ny manasa-dalana ary ny ASCB nanintsana an’ny Dream Team. Adin’ny samy ekipan’Analamanga ny famaranan’ny zazavavy, baolina izay tena niady hatramin’ny farany. Ny MB2ALL no tafavoaka nandresy ary nandrombaka ny  anaramboninahitra rehefa nandresy an’ny ASA tamin’ny isa 59-55. Ny MB2ALL izay nampijoro mpilalao maro tao amin’ny ekipam-pirenena niatrika ny Afrobasket U16 teo moa dia nanilika an’ny Fandrefiala mazava 76-39 tamin’ny manasa-dalana ary ny ASA nanintsana an’ny ABCHM Matsiatra ambony, 59-47. Mikasika ireo raharaha fanaraha-maso hala-taona dia mpilalao 22 no notarafina ka sivy no nivaly niabo. Roa tamin’ireo dia mpilalao avy amin’ny Serasera Vakinankaratra sy Fandrasa Matsiatra ambony no nitondra porofo ary afaka vonjimaika rehefa nohamarinina. I Toliara indray no handray ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy U18 ny 12-19 septambra izao.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT