Sport

Baskety – Lalaon’ny Nosy Hiady handrombaka fan-9 misesy ny medaly volamena


  • Alarobia 22 Jolay 2015

Feno fatokisan-tena ary manao fanamby tsy hamotsotra ny medaly volamena ny ekipa nasionaly vehivavy amin’ny Lalaon’ny Nosy any la Reunion.

 


  Folo andro sisa dia raikitra ny Lalaon’ny Nosy andiany fah-9 any La Reunion (1-9 aogositra)! Norombahantsika malagasy hatrany ny medaly volamenan’ireo andiany valo nisesy tamin’ny Lalaon’ny Nosy hatrizay. Mpilalao 14 izao no mbola manaraka ny fampivondronana ary roa amin’ireo no mbola hihintsana. Amin’ity herinandro ity farafahatarany no hivoaka ny anaran’ireo mpilalao 12 ho voatazona farany. “Efa mamaramparana, efa manamasaka sy mizatra ny fiarovana sy ny fanafihana izao izahay. Tsy maintsy atao izay ahazoana an’io medaly volamena io satria efa im-balo nisesy no nahazoan’i Madagasikara azy io ka izao indray ve vao havotsotra” araka ny fanambin-dRasoloarij­aona Cyril, mpanazatra nasionalin’ny vehivavy.

Tsy mampihetsi-bolo

Hita amin’izany fa tsy mampihetsi-bolo ity ekipa nasionaly vehivavy ity akory ny fahafantarana ireo ekipa hifanandrina aminy na handahatra mpilalao ranjanana sy mpila ravinahitra aza izy ireo. Fantatra moa fa i la Reunion ohatra dia hampijoro ireo mpilaravinahitra sangany avy any Frantsa. “Efa fantatra tsara avokoa ireo mpifanandrina. I La Reunion mpampiantrano aloha dia hiady mafy fa tsy hamela mora an’io. Na manana mpila ravinahitra avy any Frantsa aza izy dia isika koa manana lalao ady-gasy, tsy hatahotra an’iza n’iza, n’inon’inona entiny eo. Ny fanafainganana lalao no herintsika” hoy hatrany i Cyril. Mikasika ireo mpilalao dia efatra amin’izy ireo no efa tranainy tao amin’ny ekipam-pirenena ahitana an’i Lydia, Ange, Prisca ary Nene. Misy koa ireo mpilalao avy any ivelany toa an’i Ange sy Carol. “Ireo mpilalao tranainy dia ilaina amin’ny traikefany ary ireo zandriny kosa no tena hanafaingana ny lalao” hoy i Cyril nanohy ny fanazavany. Mikasika ny fizaram-bondrona ho an’ny sokajy vehivavy dia tafaraka amin’i Madagasikara ao amin’ny vondrona A i Mayotte sy Maorisy ary ao amin’ny vondrona B kosa i la Reunion, Kaomaoro ary Seisela. Efa voazara koa fa mpanazatra ny vehivavy i Cyril, Emilien ary i Tojo DTN. Hitondra ny ekipa nasionaly lehilahy kosa i Olivier, Bomba ary i Manzano.


Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT