Sport

Baskety – Gazety Ngah 15 taona Ekipa 35 amina sokajy 4 no mifaninanana


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Ekipa 35 no miatrika ny fifaninanana fankalazana ny fah-15 taonan’ny gazety Ngah. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny kianja ivelany Mahamasina ny fifanintsanana.

 Ekipa 8 no mifaninanana ho an’ny sokajy 16 zazalahy ary 6 ny zazavavy, ekipa 16 ho an’ny U22 zazalahy ary 6 ny Open vehivavy. Ny fifanintsanana no nototosaina ny faran’ny herinandro teo izay mbola hitohy ny 20-21 jona izao. Ny 27 sy 28 jona kosa ny dingan’ny famaranana.  Efa nisy nandritra ny herinandro teo ny fankalazana tamin’ny alalan’ny varotra fampirantiana tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely. Mbola hisy ny fitetezam-paritra izay hatomboka any Fianarantsoa ary hitohy any amin’ireo faritra hafa efa ahitana ny gazety. Mampiasa olona 50 ny gazety ary mpanao sary itatra izay herin’ny gazety ny 8 amin’ireo. Ny 20 desambra no hetsika hanakatonana ny fankalazana any Antsirabe.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT