Sport

Baskety – FMBB Voafidy ho filoha indray Ramaroson Jean Michel


  • Alatsinainy 03 Mey 2010

Voafidy ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baskety (Fmbb) indray ny filoha am-perinasa Ramaroson Jean Michel (Mika) tamin’ny vato 13 tamin’ireo mpifidy 13, nanoloana ilay mpifanandrina taminy, Rakotomavo Lalaina ny zoma teo, teny amin’ny Cemes Soanierana.

 Izay izany vao voafidy ho filoha ny lehilahy satria tsiahivina fa nandray antenantenany ny fitantanana izy tamin’ny taona 2007 raha lasa filohan’ny faritra fahafito ny filohan’ny Fmbb tamin’izany fotoana, Ntsay Abel. Nandray anjara tamin’ny latsa-bato avokoa ireo ligy misy dia Analamanga, Vakinankaratra, Vatovavy fitovinany, Atsimo andrefana, Alaotra mangoro, Atsinanana, Boeny, Sofia, DIANA, SAVA, Menabe ary Matsiatra Ambony ankoatra an’i Bongolava izay tsy afaka nifidy satria ligy vao niforona. Tombony ho an’i Mika ny asa vitany nisongadina vao tsy ela toy ny fampiantranoantsika ny «Afrobasket women» sy ny «Challenge national jeunes» farany teo. Araka ny nambaran’i Mika dia «hojerena misimisy kokoa ireo sokajy zandriny manomboka izao, …hotohizana ny fikarakarana fifaninanana any amin’ny faritra hafa. Hampiana misimisy kokoa ireo ligy, homena fiofanana sy fitaovana samihafa.” Anisan’ny fanavaozana hapetraky ny federasiona ihany koa ny fanatsarana ny lafiny fifandraisana amin’ireo ligy amin’ny alalan’ny fampitaovana azy ireo finday sy ny solosaina. Roa taona moa sisa no fe-potoam-piasana ho an’ny ekipan’ny federasiona vaovao izay ahitana andriambavilanitra telo. 

Hery Rabe 

Ireo mpitantana ny Fmbb:
Filoha: Ramaroson Jean Michel
Filoha lefitra : Ramananarivo Alain
Sekretera jeneraly : Rakotonomenjahary Samuel
Mpitahiry vola : Rakoto Andriamanalinarivo Rolland
Mpanolotsaina :
Randriamihaja Georges Pierrot
Ratovomamy Marcel
Rajaonarivelo René Clarisse
Rakotomanga Domoina
Rafidimanana Narson
Randrianarison Olivier
Randriamandimby Jimmy
Razafiarivony Angelot


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT