Sport

Baskety – Fiofanana Nahazo “Young Coach 1” 14 Analanjirofo


  • Alakamisy 06 Aogositra 2015

Mpanazatra ireo sokajy zandriny niisa 18 no nanaraka ny fiofanana “Young Coach 1” izay natao tany amin’ny faritra Analanjirofo ny herinandro lasa teo


. Razafiarivony Angelot, mpampiofana iraisam-pirenen’ny Fiba Afrika no nitarika ny fiofanana. Ny telo tamin’ireo mpiofana dia nanamafy fotsiny ny fahaizany ka 14 no afaka tamin’ny fanadinana. Ny telo tamin’ireo no vehivavy ka anisan’izany i Fataka Yannick izay zandriny indrindra vao 16 taona monja. Yannick izay avy ao Soanierana Ivongo no lah-2 tamin’ireo afa-panadinana. Mpiofana mendrika kosa Ratodimalala navalomanjaka. I Toliara indray no mampiantrano ny fiofanana amin’izao fotoana izay tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 6 aogositra. Aorian’izay dia i Taolagnaro no handray ny fiofanana ny 17-27 aogositra.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT