Sport

Baskety – Federasiona Nomen’ny Telma foibe toerana raitra


  • Talata 21 Jolay 2015

Ankoatry ny famatoran’ny federasiona malagasy amin’ny fikarakarana ireo fifaninanana nasionaly isan-tsokajiny sy ny fandraisana fifaninanana goavana kaontinantaly dia nahazo ny foibe toerany vaovao koa ny federasiona malagasin’ny baskety

 

. Eny amin’ny foiben’ny Telma eny amin’ny 67ha Atsimo no misy io foto-drafitrasa io izay natolotr’ity mpanohana ny federasiona ary notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo. Foto-drafitrasa izay misy efitrano maromaro sy efitra lehibe fanaovana fivoriana. Ankoatry ny foto-drafitrasa dia notoloran’ny Telma solosaina folo sy tambajotra matanjaka ahazoana manamora ny asa sy fifandraisana koa ny federasiona. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana tamin’io ny filohan’ny Fiba Afrika, ilay maliana Hamane Niang sy ny tomponandrikitra avy amin’ny mpanohana ary ny solontenan’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT