Sport

Baskety – Federasiona Nahazo mpanohana matanjaka vaovao roa


  • Talata 14 Jolay 2015

Nampahafantarina ny sabotsy teo taorian’ny lanonam-panokafan’ny Afrobasket U16 zazavavy teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina fa niampy roa indray ireo mpanohana sy mpiray

 ombonantoka amin’ny Federasiona Malagasin’ny Baskety  Baolina (FMBB). Orinasa isan’ny goavana eto amintsika izy ireo dia ny Huawei izay mpikirakira ny finday sy tontolony ary ny Banky BNI Madagascar. Nanatrika ny fotoana ary nidera ny federasiona amin’izao firosoan’ny mpanohana miara-miasa amin’ny federasiona izao moa ny filohan’ny Fiba Afrika. Tsy mbola voafaritra mazava aloha ny votoatiny sy ny endriky ny fiarahamiasa fa efa natsidiky ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel kosa fa isan’ny hetsika efa hiandrandran’izy ireo ny fanohanana ato ho ato ny fifaninanana iraisampirenena aorian’ny Lalaon’ny nosy dia ny fiadiana ny amboaran’ny oseana Indiana ho an’ireo ekipa tompondaka izay hatao eto Antananarivo ny 7-14 septambra.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT