Sport

Baskety – Challenge national U22 Namaly ny antso ny 90%-n’ireo faritra 22


  • Talata 16 Martsa 2010

Omaly no fe-potoana farany napetraky ny federasiona malagasin’ny baskety (FMBB) nahafahan’ireo Faritra 22 nanolotra ny ekipany avy hiatrika ilay fifaninanana nasionaly ho an’ny sokajy zandriny “Challenge U22”.

Ny 80 ka hatramin’ny 90%-n’ireo Faritra 22 no efa namaly ny antso handray anjara amin’io fifaninanana io hatramin’ny omaly tolakandro araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel. Anio no hivory handrafitra ny fandaharan-dalao ireo mpitantana sy teknisianina eo anivon’ny federasiona. Ligy roa no hany sisa mbola nandrasana omaly ny mety ho fandraisan’anjarany na tsia dia Analanjirofo sy Menabe. Notsipihin’ny filohan’ny federasiona koa fa nisy ireo ligy tsy nanolotra afa-tsy tarika iray ihany amin’ity hetsika santatra andiany voalohany ity saingy ny ankamaroany kosa dia nahavondrona ekipa vitsivitsy. Ny 26, 27 ary 28 martsa izao moa no hanatontosana ny dingan’ny fifanintsanana isam-paritra amin’ireo toerana valo nofaritan’ny federasiona hanaovana izany. Nisy ihany anefa ireo faritra hafa nangataka fanemorana kely ireo daty ireo toa an-dry zareo avy any Mahajanga sy faritra hafa koa ary mbola hodinihin’ny FMBB ny mikasika izany. Ireo ekipa mendrika lahy sy vavy isak’ireo toerana valo hanaovana ny fifanintsanana ireo moa no hiakatra eto an-drenivohitra hiatrika ny dingan’ny famaranana izay hatao ny 10-17 aprily izao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT