Niteraka resabe tokoa ny fanendrena ireo mpanazatra sy mpilalao mandrafitra ny ekipa hisolo tena ny ligin’Analamanga amin’ilay fifaninanana «Challenge national U22» izay hiainga avy amin’ny fifanintsanana isam-paritra.
Tsy manaiky ny fomba fanendrena ireo mpanazatra sy ireo mpilalao handrafitra ny solontenany ireo klioba sasany eto Analamanga. Ny Stade olympique de l’Emyrne manokana dia mitsipaka ny nanendren’ny filohan’ny ligy, Daniel ny mpanazatra Randria Aimé na i Mémé (Asa) sy Tojo (Challenger) sy ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa voafantin’Analamanga. Nambaran’ny Soe fa tsy mendrika hitantana ny ekipan’ny ligy i Mémé izay efa nampiseho tsy fahaizana mitantana ekipa toy ny tsy fahatozoany lalao hatramin’ny farany raha tsy hilaza afa tsy ny famaranan’ny «Big Tournament» nihaonan’ny Jcsa notantanin’ity farany sy ny ny Abb farany teo ary nanana olana rahateo io mpanazatra io tamin’ny Afrobasket women farany teo. Marihina fa ny tsy fahafantaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ireo toe-javatra ireo no nanomezany andraikitra io mpanazatra io ka niteraka tsy fankasitrahana eo anivon’ireo klioba goavana eto Analamanga. Na ny mpanazatra tokony hiara-hiasa amin’i Mémé, i Bayard aza dia niala an-daharana avy hatrany. Raherihasina Rija sy Rajaonarison Zo moa no hany mpilalaon’ny Soe voaantso. Nomarihin’ny mpitantana iray eo anivon’ny Soe fa tsy manana ekipa sokajy U20 akory ny Asa nefa mandahatra mpilalao maro amin’ireo voafantina.
Tsy mitombina, hoy ireo klioba goavana eto Analamanga ny masontsivana nanendrena ireo mpanazatra sy ireo mpilalao. Marihina mantsy fa mpilalao 4 no avy amin’ny Asa, toy izay koa ny avy amin’ny Challenger izay ekipan’ny mpanazatra mpanampy dia i Tojo ary roa ny avy amin’ny Soe izay ekipa tompondakan’i Madagasikatra U18 ny taona 2007 ary tompondaka lefitra U20 ny taona 2008. Iray kosa ny avy amin’ny Cosfa sy avy eny Avaradrano. Tsy nanana solontena kosa ny BBCM anisan’ny klioba goavana eto an-drenivohitra. Ny faran’ny herinandro teo no nanaovana ny lalao fitsapana sy sivana nifantenana ireo mpilalao handrafitra ity ekipan’Analamanga ity ary ny alarobia teo no nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao. Hanala ireo mpilalaony moa ny Soe raha tsy misy fanovana ny lisitry ny ekipan’Analamanga sy ny fanendrena mpanazatra eken’ny besinimaro. Eo amin’ny sokajy vehivavy moa dia tsy misy olana loatra ny fanendrena ireo mpanazatra, i Cyril sy Andry sexy ary ireo mpilalao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.