Sport

Baskety – CCCOI Vonona handrombaka ny amboara indray ny ASCUT


  • Zoma 02 Oktobra 2015

Nambaran’ireo tompon’andraikitra mpitantanana ny klioba mpilalao baskety sy ireo mpanohana samihafa azy ary ireo tompon’andraikitra teknika sy ireo mpilalao ao aminy am-pahibemaso

nanoloana ny mpanao gazety, tetsy Ambatonakanga omaly, fa vonona ny ekipa malagasin’ny ASCUT na Assciation Sportive de la Commune Urbaine de Tamatave izay tompondakantsika sokajy lehilahy ny handrombaka indray toy ny efa nahazatra azy ny amboaran’ny CCCOI 2015. Somary nampahatsiahin’Atoa Rafidimanana Narison filoham-boninahitr’ity klioba ity ny tantara niandohan’ny fananagan-dry zareo ny Ascum tany am-boalohany izay niainga tany amin’ny ekipam-pokontany natambatra mba hanampiana ny tanora tsy handeha amin’ny filan-dratsy samihafa sy ny dingana nolalovan’izany ekipa izany mandra-pahatonga amin’izao toerana misy azy izao. Maro ny anarana voatonontonona tamin’izany fa singanina amin’ireny ny fanampiana lehibe nentin’ny East Academy notarihan-dRtoa Sitraka Rajaonah sy ny Fizato tarihan’Atoa Toto Alphonse izay mbola mitohy hatramin’izao. 250 ka hatramin’ny 300 eo ho eo ny isan’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ao amin’ny Ascut miainga amin’ny sokajy U 14 ka hatramin’ny N1 B. Mbola sokajy U 14 sy U 16 ihany kosa ny sokajy vehivavy ao aminy hatreto. Rajaonah Mbola no filohan’ny Ascut ankehitriny, i Baomba sy Ricky no mpanazatra ny klioba N1 A.

Ireo mpilalao hiaro ny voninahim-pirena amin’ny CCOI : Bina, Damasy, Lalaoa, Leonel (Pao), Landry, Manitra, Rina, Joël, Sandy , Fataka Anthonny, Guillaume, Ibrahim, Olivier.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT