Sport

Baskety Baolina Malagasy Niova ny datin’ireo fifaninanana nasionaly rehetra


  • Talata 23 Janoary 2018

Noho ny fanovana ny datim-panadinam-panjakana navoakan’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena dia nandefa taratasy any amin’ny ireo ligy rejionalin’ny basikety rehetra eto Madagasikara,

 

 omaly alatsinainy 22 janoary 2018, milaza ny fanovana ny datin’ireo fifaninanana nasionaly rehetra amin’ity taom-pilalaovana 2018 ny federasiona Malagasin’ny taranja Basikety baolina. Fantaro ary fa :

- Ny 18 ka hatramin’ny 26 aogositra 2018 fa tsy ny 25 aogositra-02 septambra araka ny voalaza tany aloha no hanatanterahan ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly U 14 zazavavy sy zazalahy ary ny veterans vehivavy sy lehilahy miaraka izay ho tontosaina any Nosy Be Ligy rejionalin’i Diana.

-Ny 25 aogositra ka hatramin’ny 2 septambra no hanatanterahana eto amin’ny ligin’Analamanga ny Critérium U 12 zazavavy sy zazalahy fa tsy ny 11-19 aogositra 2018 araka ny voalaza tany aloha.

-Ny 22 ka hatramin’ny 30 septambra 2018 any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana no hanatanterahiana ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly sokajy U 16 zatovavy sy zatovovavy fa tsy ny 15-23 septambra 2018 araka ny voalaza teay aloha.

-Ny 06 ka hatramin’ny 14 oktobra 2018 any amin’ny ligin’i Bongolava no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondaka nasionalin’ny sokajy U 18 zatovovavy sy zatovolahy fa tsy ny 29 septambra-07 oktobra araka ny voalaza tany aloha.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT