Ireo sokajy zandriny no nanakatona tanteraka ny taom-pilalaovana ho an’ny sekison’Antananarivo renivohitra amin’ny baskety
. Lalao famaranana enina zazalahy sy zazavavy no natao tetsy amin’ny Ste Famile Mahamasina ny alahady teo. Norombahan’ny Asa ny U14 zazalahy ka lavony tamin’ny famaranana ny Cosfa (60-54). Resin’ny Aca tamin’ny isa tery 36-35 tamin’ny fotoana farany kosa ny Fandrefiala tamin’ny U14 zazavavy. Lasan’ny Cosfa indray ny U16 zazalahy ka resiny tamin’ny famaranana ny DTSC (77-59) ary nosaloran’ny Mb2all ny zazavavy rehefa nampiondrika an’ny Fandrefiala 35-20. Tsy navotsotry ny Dream Team ny sokajy U18 zazalahy ka resiny tamin’ny famaranana ny BBCM (69-46). Ny zazavavy kosa norombahan’ny Fandrefiala taorian’ny nanilihany an’ny Mb2all (48-43).
Rasanda Serge
ACA, tompondakan’ny U14 zazavavy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.