Sport

Baskety – Antananarivo Renivohitra Naka iray avy ny DTSC, Cosfa, FAN, ASA, MB2ALL ary ACA


  • Talata 28 Jolay 2015

Ireo sokajy zandriny no nanakatona tanteraka ny taom-pilalaovana ho an’ny sekison’Antananarivo renivohitra amin’ny baskety.

 

 Lalao famaranana enina zazalahy sy zazavavy no natao tetsy amin’ny Ste Famile Mahamasina ny alahady teo. Norombahan’ny Asa ny U14 zazalahy ka lavony tamin’ny famaranana ny Cosfa (60-54). Resin’ny Aca tamin’ny isa tery 36-35 tamin’ny fotoana farany kosa ny Fandrefiala tamin’ny U14 zazavavy. Lasan’ny Cosfa indray ny U16 zazalahy ka resiny tamin’ny famaranana ny DTSC (77-59) ary nosaloran’ny Mb2all ny zazavavy rehefa nampiondrika an’ny Fandrefiala 35-20. Tsy navotsotry ny Dream Team ny sokajy U18 zazalahy ka resiny tamin’ny famaranana ny BBCM (69-46). Ny zazavavy kosa norombahan’ny Fandrefiala taorian’ny nanilihany an’ny Mb2all (48-43).

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT