Notontosaina nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga sokajy N1B taom-pilalaovana 2009 entina hamoahana ekipa iray izay hisolo tena an’ity ligy ity amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’io sokajy io. Any Mahajanga ny 5-12 jona izao no hanaovana io fifaninanam-pirenena io. Tsara fanombohana avy hatrany ny Asa sy ny Betongolo BC izay efa nahazo fandresena roa avy tamin’ireo lalao roa natrehiny. Ny Asa nandavo ny Cospn 76-64 ny sabotsy ary nampiondrika ny Espace vert 81-58 ny alahady. Ny BBC kosa nanilika ny Amboma Street Basket-ball 97-69 tamin’ny andro voalohany ary somary nivoaka sempotra vao naharesy ny ekipan’ny Masindahy tamin’ny isa 78-74 tamin’ny andro faharoa. Hitohy ary hifarana ny sabotsy 15 mey izao ny dingan’ny fifanintsanana etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ivelany. Fihaonana efatra moa no tsy vita sisa. Tarika valo no miatrika ity fifaninanana ity izay nozaraina vondrona roa ary ireo roa voalohany isaky ny vondrona no ho tafita amin’ny manasa-dalana izay hatao eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy 22 mey.
Hery Rabe
Vokatra
Asa – Cospn (76-64)
Asb – Bbc (69-97)
Bcs – Esp V (57-67)
Assm – Ebc (90-85)
Bbc – Assm (78-74)
Cospn-Bcs (104-65)
Ebc – Asb (67-70)
Esp. V – Asa (58-81)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.