Sport

Baskety – Analamanga Hangotraka ireo famaranan’ny N1B sy U20 anio


  • Zoma 24 Aprily 2015

Fantatra taorian’ireo lalao manasadalana natao omaly tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ireo ekipa tafita hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga sokajy U20 sy N1B lahy sy vavy.

 



Teo amin’ny manasadalan’ny sokajy N1B vehivavy ny FBC nandavo an’ny ACA (63-52) ary ny BBCM nanintsana an’ny ASF (42-26). Ho an’ny U20 zazalahy kosa ny SOE nandresy an’ny Cosfa (88-76) ary ny Challenger nampiondrika an’ny ASA (55-48). Ho an’ny sokajy N1B lehilahy dia lavon’ny MB2ALL ny Ankarana tamin’ny isa 56-49 ary ny TMBB nanilika an’ny NGB (63-60). Anio atoandro manomboka amin’ny 12 ora no hanaovana ireo lalao famaranana efatra ka hanokatra ny fotoana lalaon’ny sokajy U20 zazavavy izay hifanandrinan’ny MB2ALL sy Fandrefiala, harahin’ny an’ny N1B vehivavy izay hihaonan’ny FBC sy BBCM. Aorian’io ny famaranan’ny U20 zazalahy hifanandrinan’ny SOE sy ASA ary hanakatona ny fotoana ny famaranan’ny N1B lehilahy izay hifandonan’ny MB2ALL sy TMBB. Hofantatra anio hariva izany ireo ho tompondakan’Analamanga amin’ireo sokajy ireo.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT