Sport

Basketball U19 Nataon'ny Frantsay tsy nisotro rano ny Ankoay


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Tena tsy nisy ady hevitra ny fihaonana teo amin'ny Malagasy sy Frantsay omaly fa dia nandrivorivo ny kapoka ary tsy nifarana raha tsy 119 noho 56.

Teo amin'ny ampaha-potoana fahatelo no tena tsy nisy natokona ny Ankoay satria dia nahavita namono baolina 31 ry zareo Frantsay raha 5 monja ny antsika. Tena tsy nisy azo natao fa sady efa manatombo amin'ny halavana ny Frantsay no manatombo amin'ny tanjaka sy ny hakingana. Efa nodinihiny rahateo ny fomba filalaon'ireto Ankoay ireto hany ka izay tiany natao no nataony. Nataony iray sy iray toy ny nanaovan'ny Amerikanina ka tena lany bala ry Meme fa tsy nahita fomba hafa entina handresena. Niavaka kosa anefa i M'Madi na dia nitangoronana aza rehefa mitondra baolina dia mbola izy ihany no namono ny baolina maro matin'ny Malagasy toy ny nataon’i Mickaël nanoloana an’i Slovenia. Tsapa ary tena hita taratra fa nampivoraka ny mpilalao Malagasy ilay isa niha tataka sy ny tsindry ambony ambany, mameno kianja nataon’ny Frantsay. Ka rehefa voa izay moa ny saina, sarotsarotra ny hamoahana endri-dalao milamina sy mirindra dia lasa tahaka ny hoe samy manao izay saim-pantany. Ny hanamboarana ny saina dia ny hoe efa nanao ny famaranana farany tamin’ity fifaninanana ity ny Amerikanina sy ireto Frantsay ireto .Tany amin'ny fizarana vondrona izany dia efa voa isika malagasy fa na izany aza dia mbola ratsy nohon'ny vitantsika ny nataon'ny Egypte izay tompondaka taty Afrika izay resy foana. Ny Ankoay kosa dia hiady toerana amin'ny Korea Atsimo raha tsy hoe angaha naharesy ny Serbia ry zareo izay sarotra inoana ihany. Na izany na tsy izany dia niaiky ny rehetra fa nivoatra ny baskety eto Madagasikara ary raha ilay Lalaon'ny Nosy kosa aloha dia efa azo lazaina fa ao am-paosy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT