Sport

Basketball Nodimandry i Lalatiana Razaiarisoa


  • Talata 19 Septambra 2023

Manjombona ny andron'ny baskety malagasy. Nodimandry omaly i Lalatiana Razaiarisoa izay efa nandrafitra ny

ekipam-pirenena basket no sady mpilalao handball ihany koa. Tao amin'ny BC Tropicar no tena nahafantarana azy niaraka tamin'i Pepe, Boeing ary Pony. Nandray anjara tamin'ny Lalaon'ny Frankofonia tany Paris koa i Lalatiana ary mbola mpikambana tao amin'ny ligy basket Boeny. Tsy nijanona tamin'ny basket izy na dia efa 55 taona aza fa mbola nilalao. Ao anaty rany rahateo ity taranja nampalaza an'i Jomba rainy sy Didis anadahiny samy nilalao tao amin'ny ekipam-pirenena. Very olomanga ny basket ary very mpiara-miasa ny Oniversite eny Androva izay i Lalatiana no nisahana ny Fanatanjahantena. Mankahery ny fianakaviany. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT