Basketball

Nakotrokotroka ny fetin'i Deda Randrianarivelo


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Vita soa aman-tsara ny fety nokarakarain'i Deda Randrianarivelo ho hanamarihina ny faha 50 taona

nilalaovany ary faha 45 taona naha mpanazatra azy. Tonga nanotrona azy daholo ireo namany, ireo mpiara-milalao ary ny mpikambana avy amin'ny federasiona.Ny tena nanamarika ny dian'i Deda Randrianarivelo dia ny nahazoany ny tompondakan'i Afrika teo amin'ny lalaon'olona telo.Efa nandresy ny Frantsay koa anefa ny ekipa entiny ity ahitana an'i Elly, Livio, Arnold ary Fiary. Tena mahay izy fa ny somary mahagaga kely dia toa nijery fotsiny ny minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.Tsy ahita mpanazatra nahavita be toy izzo anefa ny eny Ambohijatovo.Raha ny marina aza dia mendrika tolorana mari-boninahitra ambony i Deda Randrianarivelo satria tena nahavita be ity zanak'Antsirabe ity.Mpilalao baskety rahateo ny dadany ary izay no nahatonga azy hirotsaka amin'io taranja io teo amin'ny kianja kely iray teo Antsenakely.Vao 14 taona izy no nanomboka nilalao basket ary mbola milalao foana 50 taona aty aoriana.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT