Sport

Basketball Mbola manjaka ny COSPN sy ny MB2All


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Nanomboka ny zoma teo ny fiadiana ny tompo-dakan'ny Madagasikara N1A dingana voalohany ho an'ny vehivavy raha fihodinana voalohany kosa ny an'ny lehilahy ao anaty Vondrona Ampovoany.

Mifanena ny samy henjana noho izany ireo sangany manerana ny lafivalon'ny nosy fa mbola hafa ireo tompondaka farany dia ny MB2ALL vehivavy izany sy ny COSPN lehilahy. Azo lazaina fa nitsangatsangana ry Livio Ratianarivo nanoloana ny TGBC Maevatanana satria dia nazava ny fabdresen'ny COSPN 87 noho 55. Mbola tsy tena ireo dimy tompo-toerana aza no najoron' ny Polisy nefa dia efa nivoaka sempotra ny TGBC asa na tsy zatra ny hatsiaka aty Antsirabe angamba izay tena mifanalavitra amin'ny any Maevatanana. Raha teo amin'ny vehivavy indray dia isa 2 sisa tsy naha 100 ny tena amin'ny tabilao nanaovan'ny MB2ALL azy raha nihaona tamin'ny ASCUT izy .Nandravarava toy izany koa ny TCBC raha nandresy ny Fandrasa 91 noho 36. Ny JEA no ekipa fahatelo isan'ny matanjaka aty Antsirabe saingy voatazon'Ankaratra ihany satria tsy dia tataka be ny isa, 63 noho 51. Toy izao ireo vokatra hafa teo ampelatanana, amin'ny ampahany ihany satria mikorontana ny fampitam-baovao avy any amin'ny federasiona. Vehivavy - TAMIFA nandresy ny Phoenix 71 noho 50 Lehilahy - COSFA nandresy ny TCBC 70 noho 63 - BCB nandresy ny ASB 68 noho 52 - BCB nandresy ny COSFA 71 noho 70 - SBC nandresy ny ASB Itasy 56 noho 45.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT