Basketball

Lasa any Espagne i Mathias M'Madi


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

any amin'ny klioba CB Moron any Espagne. Ny tombony hoy izy ba dia mbola milalao ao amin'ny diviziona faharoa aza ity ekipa ity dia mba mety mitombo ny fotoana hiakarana kianja fa tsy ny tao amin'ny Seward County Saints tany Kansas. Ekipa izay mbola natokana ho an'ireo mpianatra misehatra ao anatin'ny National Junior College Athletic Association (NJCAA) nefa manana ny lanjany satria ao koa no mikaroka izay handimby ireo kalaza ao amin'ny NBA. Tsy niandry izany anefa i Mathias M'Madi satria mihevitra izy fa raha milalao any Eoropa dia mba mety tafiditra amin'ireo mpilalao maro ho fantenana (draft) hilalao ao amin'ny NBA.Fanamby goavana izany ary deraina ny zotom-pon'ity zandry kely ity izay tsorina sahady fa manana ny toerana ao anatin'ny ekipa mzndrafitra ny Ankoay lehibe.Miakina ihany koa ny fahaizan'ny mpanazatra azy no handrosoana eo amin'ity taranja ity.Ny zava-misy raha manao fampitahana dia lasa tompondakan'i Eoropa U20 izao ny maro tamin'ireo mpilalao frantsay nifandona nandritry ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany U18. Izay no halaritana fa tsy lavitra intsony ity zanak'Antsiranana ity.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT