Sport

Basketball Any Salt Lake City - Etazonia i M'Madi


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Mbola mitohy ny lalan'i Mathias M'Madi. Taorian'ny Afrobasket U18 nahavoahositra any ho mpilalao mendrika

indrindra dia voafidy hanaraka fiofanana karakarain'ny FIBA sy NBA tany Le Caire - Egypta indray izy ny volana aogositra 2022 teo .Mbola i M'Madi ihany koa no mendrika indrindra nandritry io fiofanana io , ka noho izany dia hanatrika fiofanana any Salt Lake City any Utah, Etazonia, ny tovolahy .Efa tena avo lenta ity hatao ny 17 ka hatramin'ny 19 febroary ity satria dia ireo teknisianina sangany miampy ireo mpilalao kalazan'ny NBA no hanofana. Ny azo antoka dia tena mbola i Mathias M'Madi ity no hitarika n'y ekipa malagasy mandritry ny Lalaon'ny Nosy .Efa raikitra any amin'ny 3x3 mantsy ry Elly sy Livio ary Francis ka tsy maintsy mitady hasolo azy ireo ny federasiona.

Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT