Sport

Basketball Ankoay U19 Nametra-pialana i Mémé


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Vao tena am-pidinana ny roapilanina dia nanambara i Mémé Randria mpanazatra ny Ankoay fa tsy hanao intsony.

Mety tsy nahatanty ny vavan'ny mpanary ran-kena ve sa ny fahafantarana fa raha mbola izao ny rafitra dia ho sarotra ny ahatafavoaka. Mila olona lava sy matanjaka. Ary mila koa fifaninana natao hoan'ny sokaji-taona rehetra manda-taona. Ary raha betsaka ny mpandray anjara dia malalaka koa ny safidy Fa hatreto aloha dia mbola miantehatra amin'ireo mpilalao any ivelany Fa na izany aza dia nahafa-po ny nataon'i Jerry Rabibisoa sy Rino satria dia nahavita izy iteo na dia lesoka niarahana aza ny tsy fahampiana eo amin'ny vovokaina. Izay no azo hanazavana iny faharesana tamin'ny moka fohy nanoloana ny Slovenia iny. Mbola harerahana koa ny lesoka raha niverina nifandona tamin'ny Egypta. Raha lalao faharoa tany iny nihaonana taminy iny dia mety hohafahafa ny vokatra Izany hoe mila miezaka fotsiny izany raha te ho tompondaka eto Afrika. Na izany na tsy izany raha Jerry sy Rino ary Lova no atao ao anaty dimy voalohany niampy an'i Elly sy Livio dia asa fotsiny angamba.

Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT