Sport

Basketball - Ankoay U19 Hifandona amin’i Etazonia avy hatrany


  • Alarobia 21 Jona 2023

Rahampitso alakamisy no hiala ao Serbia hihazo an’i Hongria hiatrika ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja Basketball ho an’ny latsaky ny 19 na Mondial U19 ny ekipam-pirenena Malagasy na Ankoay.

Anio alarobia, araka izany, ny mpilalaontsika no mamarana ny fiofanany ao Serbia. Hiainga ao Belgrade hihazo an’i Debrecen kosa avy eo ny ampitso, raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny federasionin’ity taranja ity. Haharitra ora 4 ny dia. Nandritry ny 10 teo moa, raha tsiahivina, ny fiofanana tao Serbia ary tokony mbola hisy lalao ho atrehin’ireto boay kelintsika ireto rahalina raha tsy misy ny fiovana ho fanomanana ny lalao ho atrehina ao anatin’ny fifaninanana ny sabotsy izao. Ny amerikanina, izany hoe ny ekipam-pirenen’i Etazonia moa no avy hatrany dia hifandona amin’ny malagasy voalohany ao anatin’izay Mondial U19 2023 izay. Ireto be kintana ireto, raha tsiahivina, no tompon’amboara farany saingy na izany na tsy izany… «Alefa Ankoay!» hatrany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT