Sport

Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Ho sarotsarotra ihany i Brezila dia vao avy nandresy an’i Alemaina. Ary ity farany anefa nandresy ny Malagasy tamin'ny isa 20 noho 16. Izany hoe efa tena nivoatra be ny lalao nasehon'ny Ankoay. Nisy mihitsy aza efa nitarika teny amin'ny tabilao ry Fiary saingy nanova paika ny Rainiboto ka niezaka nanao tifi-davitra. Ny marina na dia resy aza dia tsy maha menatra ny zavatra nasehon'ny Ankoay hatreto ary ohatry ny mety ilay telo lahy miaraka teo ambony kianja nahitana an'i Arnol, Fiary ary Elly. Iza no mahita fa mety mahavita fahagagana ihany ireto Ankoay ireto. Anio hariva amin' ny 11 ora sy 5mn alina no hifandona amin'i Frantsa ny Malagasy. Ary raha efa afaka ilay tsindry dia tokony mba hilalao tsara smin'izay ireto Ankoay ireto.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT