Basketball 3x3 vehivavy

Hanao hetsika goavana ny federasionina


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Raha te hivoatra dia tsy misy afatsy ny mjery ifotony ary mampandray anjara ny rehetra.

Izay no azo hanazavana ny fihetsika maha te hidera ataon'ny federasionan'ny basketball miaraka amin'ny Ambasady Frantsay mahakasika ny basket 3x3 eo amin'ny vehivavy latsaky ny 23 taona. Mazava ho azy ny tanjona fa ny hampijoro ekipa vehivavy matanjaka any amin'ny Lalao Olimpika Paris 2024. Tsy tahaka ny lehilahy izay efa tompondakan'i Afrika mantsy ny vehivavy fa tena mbola mila ezaka betsaka ary izay no mampitombona ity tetikasa ity. Hisy fifanintsanana izany isaky ny ligy manomboka ny 20 desambra izao ka hatramin'ny 18 febroary. Miaraka amin'izay koa ny fifantenana ireo mpandrndra isam-paritra izay ny ligy no hifidy izay hisolo-tena azy fa olona latsaky ny 30 taona no ilaina ary olona tia ilay taranja. Hatramin'ny 5 janoary izao no hifarana ny fifantenana ireo mpandrndra ireo satria tonga dia hiasa izy ireo amin'ny hanangana ny ekipa malagasy vehivavy 3x3 latsaky ny 23 taona. Toa izao no tokony hataon'ny taranja iraisana rehetra mialoha ny fananganana ny ekipam-pirenena izany. Mila vola anefa vao mety ahavita famoriana mpilalao toy izao ka tokony tafiditra ao anaty teti-boian'ny Minisiteran'ny Fanatanjahantena izany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT