Basketball 3x3

Tafiditra amin'ny sehatry ny matihanina ny Malagasy


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Raha misy taranja mahalasa lavitra ny Malagasy dia ity basketball 3x3 lalaovin'ny lehilahy ity.

Efa tompondakan'i Afrika isika ary efa nandresy ireo heverina ho firenena lehibe.Tany amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany izao dia nanakoako ny nandresen'ny Ankoay ny Frantsay (21 noho 20). Efa nisy fotoana koa nandresy ny Alemaina ny Malagasy (20 noho 16) ary toy izany koa nanoloana ny Brésil (20 noho 17). Tsy niova firy anefa ireo mpialao fa taty aorona fotsiny no nisolo an'i Fiary i Anthony. Teo foana kosa anefa i Arnol sy Elly ary Livio.Iretp roa farany ireto moa dia niaraka nanao basket hatramin'ny fahakeliny ary niray klioba mihintsy aza tany Mahajanga. Ny tena tombony amin'ny mpilalao hafa dia samy manana antom-pivelolana tsara daholo izy dimy mirahalahy. I Livio Ratianarivo aza moa dia manamboninahitra ao amin'ny Polisy. I Elly Randriamampionona indray dia zandary.Fa na ny Polisy na ny Zandary dia mamela malalaka ireo mpilalao ireo hanao fanazarantena mety mandritra ny taona mihintsy aza satria dia samy mbola milalao any amin'ny klioba eo amin'ny basket lalaovin'ny olona dimy izy ireo. Raha tsorina dia tena tafiditra amin'ny sehatra matihanina tanteraka ry zalahy ary mitondra ny anarana hoe Antananarivo. Ny tombony koa dia i Deda Randrianarivelo no mpanazatra azy ireo hatrany amboalohany. Izao ary dia heno fanasana manokana (wild card) ity ekipa Antananarivo ity. Ny 22 sy 23 jolay izao izy ireo no handray anjata amin'ny Chongqing Challenger izay araka ny anarany dia ao Chongqing any Sina no hatao.Tsy mijanona eo anafa fa mbola voaasa any Taiwan koa iretp ekipan'i Radeda ireto.Ho tontosaina ny 28 sy 29 oktobra ity Tzipeh Challenger ity. Araky ny maha matihanina ny fifaninana moa dia volabe no hozaraina ka inoana fa tena hamono tena ry Elly sy ny namany ireto .Ny mampalahelo kely dia tsy mba misy ity wild card ity ny basket 3x3 amin'ny Lalao Olimpika any Paris fa raha tsy izany dia ny basket no voalohany amin'ny taranja iraisana mandray anjara aminlny fifaninana toy itony.Ny Frantsay izay resin'ny Ankoay anefa tafita tamin'ny ora farany. Izay ilay sanjila...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT