Sport

Basketball 3x3 Resin'ny Serbia sy Allemagne ny Ankoay


  • Alarobia 31 Mey 2023

Tsy nisy dinika fa dia azo lazaina fa nidona tamin'ny rindrina ny Ankoay raha nihaona tamin'ny Serbia omaly

Laharana voalohany eran-tany amin'ny basket 3x3 ireto Serba ireto ary vitan'izay fa ireo mpilalao laharana telo voalohany eran-tany no nalahany. Tena atody niady amam-bato. Mba niady ihany ny Malagasy saingy tsy nisy dinika ka maty daholo ireo tifitra lavitra nataon'i Stojacic, ilay laharana voalohany eran-tany. Tonga dia isa roa isaky ny mihetsika raha nandady kosa ny isa hoan'ny Ankoay. Efa lavitra be ny elanelana izay 15 noho 4 vao mba nahita isa roa i Elly nefa dia io no tena nanavanana azy ka viahosotra azy ho mpilalao mendrika indrindra aty Afrika. Tsy nisy natao na Elly na Livio fa Fiary aza nomba nahavita nanakana ireo mpatsaka Serbia. Nety koa no nataon'i Arnol saingy tsy dia nahazo fotoana betsaka izy Ary rehefa tsy afaka toy izany dia rava tsy lera ny lalao satria tonga 21 talohan'ny fotoana ny Serbia raha 9 ny an'ny Malagasy. Mbola mafimafy ihany koa avy eo ny dona tamin’i Allemagne na dia hita aza hoe efa tena nanezaka mafy sy nampiseho endri-dalao matotra ny Ankoay dia resy 20 no 16. Na izany na tsy izany dia mendri-piderana ireto Ankoay ireto ary toy izany koa ireo Malagasy tonga tany Vienne nanotrona.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT