Basketball 3x3

Ratsy fanombohana ny Ankoay


  • Zoma 17 Mey 2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Sady ranjanana no mahitsy toraka ry zareo ka tena tsy tafavoaka ny Malagasy. Mety efa nojereny antsipirihany ny lalao nataon'ny Ankoay hatramin'izay ka dia nataony tsara ambiny i Elly ary dia izay no nataony fa niondrika 13 noho 21 ny Malagasy. Mbola nihaona tamin'ny Alemaina moa ny Ankoay alina, ka resy tamin’ny moka fohy 17-16. Rehefa tojo faharesena na iray aza dia miha lavitra ny lalana mankany Paris amin'ny Lalao Olimpika. Ny telo voalohany ihany mantsy no mahazo ny tapakila mankany amin'ny Lalao Olimpika kanefa raha izao no fandehany dia aleo aloha mamoy mora foana toy izay manantena tsy misy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT